TSY HISY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HISY…
Tsy nisy fo iray, sahy nandao olon-tiana,
noho ny sakantsakan’ny hafa.
Tsy nisy fo iray, sahy nandrava faniriana,
satria voafatotry ny lasa.
Tsy nisy na iray, sahy naneho ankalalahana,
ny fitiavana ao am-pony.
Tsy nisy fo iray, sahy niady fahafahana,
fa ny lasa ny azy hoe hafoiny.
Sahiny nodorany anoloana, fo iray ‘zay mbola tia,
na dia mety handràtra ny hafa, ‘zay mitahiry ilay fitia.
Toa rotehiny anoloana, afom-po mivaivay,
tsy hiandrasany fotoana, ny handringana azy ho may.

Tsy nisy fo nahatsapa, fa marary amin’ny tsy tiana,
ny latsalatsa eso an-teny, arahana fanaratsiana.
Tsy nisy akory fo, sahy niteny, teo anoloam-pijaliana,
fa ‘reny rehetra ireny, no ràtram-po tsy nofidiana.
Saingy tonga ho azy teny, toa voalahatra nialoha,
indrisy anefa, fa zoga holanjain’ny fo!

Moa ve nefa any ho any, misy fom-behivavy tia,
sahy hilaza amin’ny tiany, sahy hanolotra fitia,
sahy hizaka izay vokatra, sy ‘zay esoeson’ny hafa,
sahy hamindra na dia drodroka, mivesatra irony latsa?

Tsy hisy kosa angamba anefa, fo hanozona ny tiany!
Tsy hisy koa izany hoe, fo iray sahy hiantso tsiny,
ho hazera amin’ny anjara, ilay voafaritry ny lahatra!
Saingy ity no tsarovy, fa tsy hisy fo ho tonga lafatra.

Tsy hisy izany na ho anjely, no hotiavina miafina.
Ekeko hoe izy ireny, mba isan’ny manan-kasina!
Saingy tsy haiko, fa tsy hatokisako mihitsy.
N’iza n’iza handà izany, dia amiko io tena tsy hisy!
RRAG
26 Desambra 2012
--------
Rohy:
282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207