TSY HITENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HITENY…
Raha hangina tsy hiteny,
toy irony raozin’ny ala.
Mahita tsy mijery,
fitepom-po adala.
Dia atao hoe maneso,
manaraby ny fitiavany.
Nanantena saingy hatreto,
hatreo ihany no mba sahiny!

Raha hijery fa tsy hahita,
nefa tsy jamba maso akory.
Dia ho mety hanapitr’isa
ireo fery mampaory.
Saingy tsy hiteny na matazana,
ny vavan’ny fanantenana.
Toa mandà ady mazana,
mba hahitana hazavana.
RRAG
26 Desambra 2012
--------
Rohy:
252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201