TSY LAITRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY LAITRA…
Raha mbola hatezerana, no sampana-manasaraka,
dia ho foana ihany, raha ao ny zoto-po.
Raha toa ka mbola velona, ilay fitia nampiaraka,
dia mbola iray hatrany, ny fijerin’olon-droa.

Raha mbola ranomaso, no nandrafitra fitia,
dia hitsiry hatrany, ny fankahalana anaty.
Na koa hoe ny ankaso, no nanakana ny dia,
ka tsy ho foana ny tomany, no ireo raha tsy tanty.

Raha sendra alahelo, no nandravàna vina,
dia hisy fahasorenana, hitoetra hatrany hatrany!
Raha mbola mihelohelo, ny alok’ilay tiana,
dia ‘lay fanaperana, no efa tototany.

Tsy laitra izany ilavitra, tsy afa-mihaona akory,
saingy ny elanelana, tsy maharava dina.
Satria ny fo miaritra, tsy hoe dia resi-tory,
fa eo ‘lay fandeferana, miary vinavina!

Ny fo rehefa tia, toa tsy mba harafesina,
toy ny volamena, tsy mba mety miofo.
Ka raha miara-dia, dia mahay mandray lesona,
io ‘lay fandresena, izay efa tsara toko!
RRAG
Nôvambra 2019
--------
Rohy:
372 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217