TSY LAVINA… KANEFA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aingam-po somary natosaky ny aingam-panahy, tsy valin-kafatra fa valin’aingan’ny tononkalo nosoratan’i Rado. Tononkalo nampitondrainy ny lohateny hoe: “Andevony” tao amin’ny boky “VONINKAZO ADALADALA”, pejy 167.

TSY LAVINA… KANEFA…
Ny lelany no bada, ka tsy nahay niteny.
Ny sainy no nirada, nanadino tenin-dreny.
Tsy hoe nirin’ny fony, ny hamafa ny abidiny.
Fa ny rivotra nifohany, no nandoro ny fahiny.

Eny e! Nidiran-doza isika! Nidiran’ny angano!
Tsy lavina mihitsy, fa fiainany ao an-trano,
‘lay tsy miteny Gasy, ka nihindran-teny vao,
kanefa ve ry Rado, dia ho melohinao?

Izy zaza vao, ny Ntaolo no namafa!
Ny razambeny mihitsy, no ninia nandrasa,
ny teny nolovainy, k’injay fa nifangaro!
Ka na ny manahoana aza, tsy nisy nahatsiaro!

Fa ny arahaba, tinakitry ny sainy,
voambolana vahiny, no hany tena hainy!
Tsy izy velively, no hikiry hanambany,
‘ty hamenarany aza, saronany tomany!

Mba tsy ho hitanao, fa vesatra tsy zakany!
Lanjainy ao am-pony, fikiriny ao an-tratrany!
Nefa, raha eo ilay finiavany, hamadika ny lela,
dia mbola hinoana ihany, fa hisy ao tavela:

“Ny teny Malagasy, nitsiry tamin’ny ràny”!
Ary tsy ho faty intsony, f’izao ilay nindraminy,
no levona sy may, ka naka sisintsisiny!
Ny tenintsika mihitsy no, haka izay hintsiny!
RRAG
30 Oktôbra 2020
--------
Rohy:
323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205