TSY MAINTSY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAINTSY…
Mirindrina efatra ny akanin’ny foko,
kanefa toa tsy afa-miaro ny tenany,
mainka aza anie ka dia velon-toloko,
fa toy ny am-pasana natao ilevenany!

Lasa ny sento dia injay ny tomany,
tonga hanaloka ny anjara masoandrony,
ny any an-danitra toa hoe eto ihany,
ka aiza izany no afaka iadanany?

Imbetika mantsy ny fo dia maràtra,
kanefa misitrika mba tsy ho hita,
ka na ny anio na ny ferin’ny lasa,
dia toa mbola ady tsy mety ho vita.

Tsy maintsy hifarana ve hoy ianao,
‘ty setran’ny fiainana toa tsy manam-petra,
ka hisy andro any ny fo tsy hitalaho,
fa hiara-ko sambatra ny olon-drehetra?

Tsy maintsy hiato ve izato hirifiry,
tsy zakan’ny aiko sy ny atin’ny foko?
Kanefa moa izao mba efa ho firy,
ireo efa nijanona tsy re nitoloko?

Toa fasana ihany ny fetran’ireny,
fa mainka isan’andro aza mihombo ny ràtra,
rehefa mangina ka tsy afa-miteny,
dia an-drangolahy no iafaran’ny kinasa.

Tsy maintsy ho foana ve ny fanantenana,
raha toa ka fonjaina an-kerisetra?
Sa kosa any ho any mbola hisy hazavana,
hitsinjo ny lalan’ny resy rehetra?

Tsy maintsy tomany ve no handaozana aina,
izay mifamatotra amin’ny fo velon-tsento?
Rahoviana izany no hitony ny saina,
sa kosa any ho any rehefa tsy ho eto?

Moa ny an-danitra any tsy an-tany ihany,
hoy ny vavaka nampianarin’ny Tompo?
Dia aiza izany no tsy hisy tomany,
ka ahafaha-mandevona ny ferin-toloko?

Tsy maintsy hisy farany ny zava-drehetra,
fa saingy tsy isika no hahita izany?
Ny hany antso ampitaina ka tiana hiantefa,
dia ny hoe mangina f’izay no eto an-tany!
RRAG
04 Septambra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
630 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815