TSY MAINTSY HITENY FOANA AHO RAHA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAINTSY HITENY FOANA AHO RAHA…
Tsy maintsy hiteny foana aho raha,
mbola misy fo mangina,
mitomany malahelo,
fa nilaozan’olon-tiana.

Tsy maintsy hiteny foana aho raha,
mbola misy fanahiana,
mitoetra ao anaty,
ka manahy ny tsy ho tiana.

Tsy maintsy hiteny foana aho raha,
misy vava avela hisokatra,
nomen’ny lanitra hamboarahako,
ny alaheloko niantoraka,
nandràtra mafy ny tanaty.

Tsy maintsy hiteny foana aho raha,
tsy efa tampina tanteraka,
ny nozinairina ankolaka,
hampanginin-tsy hiteny,
ka tsy avela ny hisokatra,
ny molotro hiteny!
RRAG
02 Martsa 2013
--------
Rohy:
282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244