TSY MANAN-TSAHALA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MANAN-TSAHALA…!
Maro ny Reny, fa tokana ny ahy,
ilay nanabe, nitaizan’ny tena.
Nahaolom-banona, naha manam-panahy,
ho zary andrarezin’ity firenena!

I Rafandeferana, tokana am-po,
mahafantatra hatrany, izay mety amiko.
Nizara ny mamy, sy izay nahasoa,
ianao ‘lay hany Reny, tokana an-taniko.

Tsy laviko aloha e! Fa misy Reny hafa,
mahavita ny vitany, sady manana ny ampy.
Fa amiko kosa, dia ilay hany nanasa,
no Renin’ny foko, sady afaka hahatanty!

Afaka hizaka, izay hadisoako,
tsy hanameloka ahy, anoloan’ny tany.
Hiaro ny aiko, hitandro ny zoko,
hamafa ny ranomaso, raha sendra aho tomany.

Ekeko ihany koa, fa eo raha i Dada,
ilay nibaby, nampiana-namindra.
Ny anarany mihitsy, no nampibadabada,
saingy ny fitiavan’ny Reny, toa tontolo mirindra!

Tsy hoe kosa aloha, tsy tia i Dada.
Tsy midika izany, hoe tsy ho tiana ihany koa!
Fa ny fitiavan’ny Reny, fitia tena jamba,
tokana ihany, satria tena avy ao am-po.

Tsy manan-tsahala, ianao re ry Neny,
ilay be fitiavana, nahay nijery ny hoaviko.
Tsy nanakana ahy, raha sendra hiteny,
ny teninao koa aza, toa tsy nisy nolaviko!
RRAG
05 Mey 2013
--------
Rohy:
309 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221