TSY MBA JAMBA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MBA JAMBA...
Ny laza, ny voninahitra, tsy ahoako akory ireny,
fa mampandatsa tena, tsy hiraharaha ny hafa!
Manamaloka tsy hihiratra, ny masoandro mba hijery,
Ka mitondra faharesena, satria namoha ny efa lasa!

Ny dera, ny fahefana, toa zavatra mandalo,
tsy afaka hamikirana, raha sendra saro-dalana.
Mampihombo ny hadalana, mampitombo fahavalo,
ka zary lasa manahirana, an-tsedran’ady iray malama!

Ny haja, ny harena, nofy iainana eto,
sady sarisarim-piainana, fa tsy tena izy akory.
Ny kapony i? Mahatonga fo hivetso,
hoe: “Nahoana ianao no taitra tory?”

Ny firaisankina, miary irony fihavanana,
mampiray ny firenena, ka sarotra tadiavina.
Azonao iankinana, hisedràna ady mafy,
manova koa ny fisainana, sy ireo fijery ratsy!

Ny fitiavana, ilay madio tsy mifangaro,
tsy hadino, na dia fantatry ny maro!
Tsy azo hafenina, ary ambara fa tsy ambany.
Isika rehetra izao, iza moa no tsy hila izany?
RRAG
Ny taona 2009
--------
Rohy:
385 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1661