TSY MINO AHO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MINO AHO!
Raha izao tontolo izao, ringana sy rotidrotika!
Na ‘lay efi-tranonao, rava sady potipotika.
Dia toa tsy hagaga ahy akory, tsy vaovao amin’ny foko.
Fa ny hany toa tsy tantiko, dia ianao ilay ho hafoiko!

Raha ny lasa vitantsika, no voarafitra diary.
Na koa very sady tsy hita, ireo tsiaro vita sary!
Dia tsy horaharahaiko akory, fa toa tantara efa miverina!
Fandaniana andro fotsiny, fandanian-dranom-penina.

Raha ny orokorokao, no lefin-taona nifanesy!
Na izao tontolo izao, no hanjakan’olom-petsy.
Dia tsy hanaitra ahy intsony, fa angano efa fahita.
Tsianjery efa toa fandre, toy ‘reo lasa efa vita!

Fa kosa tsy hinoako, raha ilay fitiavanao.
No foana tsy hahitam-pamaritra, ka hadino tsotra izao!
Tsy hananam-pahatsiarovana, na indray mikimpi-maso!
Tsy mino aho, raha toa nalevin’ny ankaso.

Tsy mino aho, fa ianao nilaza ho tia!
No nanjavona tsy hita, foiny isika niara-dia.
Tsy mino aho, fa izao tontolo izao.
Dia mety hahasolo, na hahatakalo ny fisianao!
RRAG
22 Oktôbra 2012
--------
Rohy:
342 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201