TSY MISY HANIRY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TTsy manan-kambara intsony aho! Aleo ny fanahy indray no hiresaka hanao veloma azy farany na dia aty ilavitra aty ary ny tenako! Mandria am-piadanana Andriamatoa tale (RANDRIAMANANTSOA Jean Paul André, 15 Febroary 2021)! Talen’ny sekoly izay nakan’ny ten any mari-pahaizana lisansa.

TSY MISY HANIRY...
Raha ny ao an-tsain’ny tena,
tsy misy hirina ho any!
Ny ivom-pandresena,
dia foana ny tomany!
Rava ny hetraketraky
ny fasana amin’ny velona.
Tsy hisy hivalaketraka
intsony ny olombelona!

Saingy tsy tanan’ny eritreritra ny ainao
noheverina tsy ho lavon’itsy fasana!
Eny e! Raha mbola amin’izao
dia tsy maintsy misy lasana!

Dia lasa izany ianao o?
Tsy hitafatafa intsony anaty sangin-teny!
Hatreo ve? Efa izay natao
ka dia naleonao nangina tsy niteny!

Naleon’ny fasana manko e!
Naleony ianao no nampanginina!
Hangina tsy hiantsoantso,
an-dalam-pisidinana
tomefy sakantsakana
tsy tambonao isaina!
Saingy ianao no lasana,
nangina, dia indro naka aina!

Lasa naka saina,
an-dalana vaovao!
Ka namela ity taraina,
ho an-dreto zanakao!

Mandria e! Soava dia ry Ray,
mpibea sy mpanabe ireo solofo!
Mandria e! Mandria dia aoka izay
fa anjaran’ny hafa indray no miezaka manompo!
Fa ny adinao hatreo!
RRAG
16 Febroary 2021
--------
Rohy:
278 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202