TSY NAHAY NIAINA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NAHAY NIAINA...
Ny taona no kely fa resin'ny saina,
ka ny hajejoana no tonga nialoha!
Efa levona ve ny fahaiza-miaina,
ilay nobeazina anao taloha?

Mimaola amin'ny zipo fohy dia fohy!
Akanjo mampidera sakafon-jaza!
Ny fiainan'ny nofo no irina hitohy,
dia rehefa nindona vao injao vaky vava!

Manenina mafy amin'ny zavatra vita,
dia migogo isan'andro mameno mosoara!
Kanefa raha ny lasa no atao tanisa,
dia toa nisy ihany ny zavatra tsara!

Tsongao kely aloha ny tsiron'ireny!
Mihaiza misintona izay mety hahasoa!
Henoy ihany koa ireo 'zay miteny,
fa aza dia miseho ho be di-doha!

Mianara amin'ny fiainana nefa tandrovy
tsy ho habolisany hianjera an-tatatra!
Rehefa vonon-kisedra dia ity no tsarovy,
fa na ny ampitso aza mbola ankamantatra!

Ny taona no zaza fa ny tena maroroka!
Ka zava-tsy hay no ilingilingiana!
Iza hoy ianao no bevohoka ny oroka,
sady oviana no ho sendra ny tia sy ny tiana?

Tsarovy anefa fa ny haizina ihany,
no mitondra fahanginana tsy tohitry ny saina.
Ka ho fakam-panahy hiary tomany,
no saha vaovao hitsirian'ny taraina.
Satria tokoa moa 'zany tsy nahay niaina!
RRAG
08 Aprily 2021
--------
Rohy:
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209