TSY NISY RESAKA (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NISY RESAKA
Mandingana im-polo, amin'ny dingan-dava
vao in-droa mihemotra, amin'ny dingam-pohy!
Mieza-tsy miato, maka aina, misento lava,
fa ezaha-miadana eny, ny lala-mitohy!
Aiza izay tsy ho vita, rehefa hisasarana?
Aza avy dia mionona, 'zay fandaharana.
Satria akory tsisy nahalala, izay hoe voasoratra,
fotsiny ny antsika, dia miantoraka,
amin'ny sedra izay nipetraka,
tsy nisy resaka!
RRAG
24 Aogositra 2021
--------
Rohy:
406 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164