TSY RONY, TSY VENTINY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RONY, TSY VENTINY...
Tsara tokoa 'kia ny any a!
Lafatra sy manjopika.
Sady toa tsy mahalala izany,
antony nampahantra antsika!

Ny nofiny dia ny hita rano,
hijery ny fiainam-bazaha!
Fa 'zay ianao miditra angano,
iza moa no hiraharaha?

Ny an'ireny ny hohanina anio,
efa tamin'ny razambeny no hita!
Fa isika mitsako tadio,
ka ny hita omaly aza omaly dia ritra!

Tsy rony tsy ventiny eo,
mitandahatra ny mpitaky trosa!
Iny 'zao 'lay vao hary aninkeo,
ripaka nandoavan-trosa!

Dia rano indray no hataingina!
Ny rano kay mila vidiana?
Tsisy labozia fa amin'ny haizina,
ny anio no hisento mangina!

Ka tsy rony tsy ventiny eny,
dia hirotsaka ny ranomaso!
Ny vava haloaka teny
hoe:" 'Ty fiainana ity lahy mpiankaso".

Fa veloma any izay tsy tamana!
Ny aty koa 'kia tsy mitàna a!
Tsy rony tsy ventiny dia hisintaka hiala!
Toa hoe nahita hafahafa tsaratsara a?
RRAG
07 Septambra 2021
--------
Rohy:
261 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215