TSY TETO INTSONY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TETO INTSONY...
Nisy kaikitra nanjary hirifirin'ny eritreritro,
zary diam-bangy maro nitahiry irony lasa!
Narahan-drangotra tsy lefitro!
Dia 'njay nandrava ny kinasa!

Dia mimonomonona ao manantena ny tsy hita!
Sady manimanina eny! Nofinofy tsisy fetra!
Tsy ny trondro no be kiry, fa ny ady no tsy vita!
Dia 'njao minia mihaodihaody, ny lasa feno herisetra!

Eh! Ny lasa izany tsy mba maty ih?
Toa mitsiritsiry foana!
Fery maimbo milona anaty,
tsy mety sitran'ny fotoana!

Tsy tohitry ny ankehitriny!
Tsy lefitry ny hoavy tsy hita!
Tsy voafaritra ho fahiny,
saingy mamy efa ritra!

Nisy tsongotsongo izay namela dia tsy mety maina,
kanefa tsy re narary akory!
Nisy horohoro mafy tany nampizoga adin-tsaina,
indrisy anefa toa nitony!
Nilanto dia tsy teto intsony...!
RRAG
07 Aprily 2021
--------
Rohy:
292 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217