'TY FO E...! (RRAG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘TY FO E…!
Vonin-draozy tsara felana,
manaitaitra ny aty fo,
tena aingam-pandeferana,
fa tsy mba toy ilay taloha.

Mitsio-drivotra malefaka,
manafosafo ny fanahy,
fitia toa tsara-petrapetraka,
halavirin’ny ahiahy.

‘Ty fo e! Mitsiriritra fotsiny eo,
maniry hitia olon-tsy fantatra,
tsy manahy izay hiseho,
sy izay mbola ankamantatra!

‘Ty fo e! Te hamafy ny fitia,
fa maika hioty ilay fitiavana,
maika ny hiaraka, hiray dia,
any anaty fahasambarana.

‘Ty fo e! Manonofy irony kintana,
izay tsy takatra takarina,
ka te hitsapatsapa vintana,
raha toa ka tia anao marina!
RRAG
05 Septambra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
987 2
Mpakafy: Berthin2018 - RRAG
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207