'TY FOKO HELY RESINDROKY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'TY FOKO HELY RESINDROKY...!
Miredareda mafy toa tsy hay vonoina ny atinao ry foko,
mitroatroatra mafy mandrotika ny aiko!
Aiza ho aiza teny ianao ‘lay hoe tsy foiko,
fa zary lasa teny tsy afaka ato an-tsaiko?

Ity fientanam-poko e! Rotidrotikao ry tiana,
potika sy rava ka resinao tanteraka.
Ny nofinofiko aza voarafitra ho vina!
Ny foko izao malala a! injao fa nitselatra!

Babonao tanteraka ny foko manontolo,
injay fa re midoboka fa mihiboka hafaliana!
Ny anaranao sy ny aminao dia tsy hisy hahasolo,
k’izay no iantsoako anao hoe: “Malalatiana”!

Efa sambatra aho satria tia ahy ianao,
dia mba mamariparitra dina sy toky.
Injao mangotakotaka te hofihininao,
‘ty foko hely babo sy efa resindroky!
RRAG
22 Septambra 2019
--------
Rohy:
405 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0333