‘TY HADALAKO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘TY HADALAKO…!
Neny a! Neny a! ‘Ty hadalana vitako,
bevohoka anie hono e! Bevohoka ilay sipako.
I Dada nilazako izany, tonga dia tezitra.
Ianao sisa ry Neny, no hakako hevitra.

“Anaka a! ‘Ty lozanao.
Fa inona loatra, ‘ty raha natao?
Iny ve izao, tsy ho mbola tsy ampy taona?
Maika ery ‘nareo dia tsy nahandry fotoana!”

Tsy izany ry Neny fa tena tsy nampoiziko.
Tiako anie izy e! Dia tsy mba notsiaroviko,
hoe mbola zaza, ity ‘lay malalako.
Inona no ataoko, dia ho aiza ny lalako?

“Tsy hoe izaho akory handatsa anao ry aiko.
Na izaho koa aza, mba vaky ny saiko,
hoe ianao ‘lay tena hendry, ity no namoa-doza.
Tsy ho ela angamba, dia efa hiandry anao ny fonja.”

Neny ô! Hevitra no ilaiko.
Tsy haiko ny atao, marary ny saiko.
Sa hilefa aho, nefa toa mandositra adidy?
Ka nahoana no tsy hozakaiko, rehefa safidy?

“Tsara dia tsara, ny fahatsapan-tena.
Izany ry aiko, dia tena fahendrena.
Nahoana ny hafa, no hizaka ny vokatra,
raha ohatra ianareo, no maika ny hamokatra?”

Neny kosa e! Toa miahy maneso ahy.
Nefa amin’izao, izaho dia manahy,
ny latsan’i Rainy, sy izay ho hatezerany.
Mety hisy ve, ny hoe fandeferany?

“Zanany iny! Silaky ny ainy.
Zanany foana, ninoninona tsy hainy?
Ninoninona ditrany, tsy hahavery izany?
Zanany iny, na iza tsy ho faly?”

Neny i! Ka…!

“Tsy maintsy ho tezitra izy, izany tsy holavina.
Hakasi-tanana mihitsy, nefa tsy ela dia hiravina.
Hitony ny fony, ka ho zary hafaliana.
Izy tsy hitory, fa mety tsy hangina.”

Neny ô! Dia…!

“Tsy hanaiky tsotra, ‘ty vitanareo.
Izaho aza mety hiteny, hoe tena tereo.
Aleo hanambady, hahatsapa ny vokany.
Hizaka hadalana, sy mba hamelona, ity vavitokany.”

Neny kosa e! Izaho koa anie mbola kely!
Sa ny vadiko izany, velomin’i Neny?
Izaho aza mbola mianatra, tsy mbola miasa,
ka hanambady sahady, toa tena hafahafa!

“Hatreo ny fianarana, tsy vita intsony.
Ny tokantrano, no kolokoloy.
Ny zanak’olona, ampiadano.
Fa aza atao teny latsaka, na koa hoentin-drano.”

Neny ih…!

“Ilay naloaka ny vava, fony ny nambabo azy,
tano ry zanako, tano izay voady.
Dia mahaiza mibanjina, ny hoavinareo!
Ny fitiavan-janak’olona koa mba jereo.”

Misaotra ry Neny a! Misaotra amin’ny anatra.
Soa fa misy anao, mbola afaka mananatra.
Saingy sangiko izany, laingako fotsiny.
Mba hitsapako, ny mety ho fihontsony!

“Matiko eo ity a!”
RRAG
24 Janoary 2011
--------
Rohy:
299 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166