You are here: home > Vetso

‘TY HIKA FARAN’I NENY…! - RRAG

Azo vakiana?

‘TY HIKA FARAN’I NENY…!
Ry fasana akany, tsy mahandry izay safidy,
nindaosinao, nalainao, ‘lay Reny miadidy,
miezaka mamita, ny adidiny eto an-tany.
Nentinao, nosintoninao, nindaosinao ho any!

Ry fasana akany, fonenan’ny maty,
norohitinao i Neny, noràtrainao ny anaty.
Tsy navelanao akory, hisafidy izay ho daty,
ka aza omena tsiny, ny foko raha tsy hahatanty!

‘Ty hika faran’i Neny, tsy miala ato an-tsaiko.
Ny sentosenton-dReny, toa famatotra ny aiko.
Fanindron’ny atim-poko, dia ‘lay foko efa maràtra.
Tampoka loatra ireny, sady kapoka tsy nahazatra!

Ry fasana akany, tsy mahay mihantra.
Ry fasan-tany bongo, fonenanay mahantra.
Nahoana ary ianao, no nisetra ny safidy?
Ny fahazaranao dia, toa efa mahakivy!
RRAG
29 Septambra 2014

Hametraka hevitra

Midira aloha