VATO MIKITOANTOANA… - RRAG
Azo vakiana?
VATO MIKITOANTOANA…
Sary! Daty! No hany embom-pahatsiarovana,
tokan-tsy mety hadino!
Toy ny vao omaly, ‘lay dinga-nolalovana,
toa zary tsy mampino!
Tsy mandainga ny eritreritro e! Fa endrikendri-jazakely,
ity tinazako am-pitaratra!
Tsy taraina akory ny ahy, fa topimaso mba nijery,
irony tsiky nitinaratra!
Saingy efa tsy hita intsony!
Tamin’ireny izao ny fiainana, diso nampihanta ahy,
toa tsy nampoiziko!
Andriamanitra ô! Ankehitriny, mikiky loatra ny fanahy,
irony ady novoiziko!
Nahazo ny anjarako aho, mihoatra izany saingy indrisy,
fa tsy tanako akory!
Nofafako tsy ho takatry ny eritreritro mihitsy,
dia indro izaho fa resi-tory!
Nefa ireny tsy eto intsony!
Rehefa miaina tsara, am-pilaminana iny isika,
dia manadino ireo fotoana!
Satria tokoa ve, mihevi-tena ho tafita,
ka nanadino mandrapihaona?
Sy irony lasa nisy mamy, nisy sento nampisaona!
Tan-dala-masaka ‘ndraindray, feno vato mikitoantoana!
RRAG
23 Nôvambra 2021
Mombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 20/12/2021
Mpamangy : 179
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NISARAKA HONO…!"LOVE" AKIA NY FO A!
NIVOLY SANATRIA...
TSY NIHOMANA...
NY FIANTOMBOHAN’NY FARANY…!
MISY TSY MISY…!
TOA TEO AVOKOA…
ETRE UN HOMME
NY ENY SY NY TSIA...!
AIZA 'LAY TSIKY?