VELOMA RY ZOKY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMA RY ZOKY…
Voafetran’ny lahatra, ny fiainan’ny tany!
Voatefin’ny tendry, ny anjarantsika!
Ny fo mbola hitsahatra, hitondra tomany,
eo anoloan’ny vata-mangatsiaka!

Ny fasana namana, fa foto-takaitra,
nitondra ny fery, zoga tsy laitra.
Namana akaikin’ny fahafatesana.
Anjara voatendry, tsy afaka hilefasana!

Veloma ry Zoky, raha tsy maintsy hifandao,
ny sora-tahiry, raketiko foana.
Veloma ry Zoky, veloma any ianao,
fa anio aho hangina, hangina hisaona.
Tsy hiteny akory, ny anatin’ny foko,
tsy haneho akory, ny alalin-toloko,
mihazona ahy, hatramin’ny ela.
Eh! Veloma ry Rado, f’izaho ity tavela!
RRAG
24 Febroary 2013
--------
Rohy:
333 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236