VETAVETAINY…. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETAVETAINY….
Vao avy nivaro-pitiavana aho omaly,
fa tsy mba nahita ny tombony akory.
Dia niezaka ery ninia nampijaly
amin’ny fitafy tsy maontina ambany sy ambony.

Ny tenako foana no resin’ny hatsiaka
izao dia ngoly tsy misy azo raisina!
Izay minitra roa, eny dimy dia vita
no ihafiako fanala mampitondra faisana!

Vola tokoa ilay tadiaviko, kanefa
areti-mandoza tsy sitrana intsony.
Dia ny aiko izany no mety hanefa
noho ny hadalana tsisy tombony akory!

Ekeko tokoa fa sahirana ihany
kanefa ve aho dia hampanofa tena e?
Aza misy vintana, ny hisian’izany
fa angamba anie aho dia hamono tena!

Ry zandry sy zoky, aleo homan-kely
toy izay mahandro fotsy, hoy ny fiteny!
Fa any ihany ve no misy hanombinana,
hanaporofoina fa tena sahirana?

Tsy entam-barotra amidy ny vatana akia a!
Noana ny ankizy, eny noana ianao!
Fa rariny ve, ho atao takalo amy vidim-pitia,
hovetavetainy tsy ankiantra, ity vatanao?
RRAG
19 Febroary 2021
--------
Rohy:
406 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198