VETSOVETSO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSOVETSO…!
Ny onjam-piainanao ry tany, dia onjam-piainako ihany koa.
Hozakaiko am-pahendrena, mba tsy ho lasa ràtram-po!
Ny ady efa natombokao, tsy hofaranako mihitsy.
Fa dia iarahako aminao, eny na dia ora vitsy!

Tsy afaka ny hangina aho, raha tsy anao ‘lay fandresena.
‘Lay nolofosanao mafy, ho rehareham-pirenena!
Ny sedram-piainanao ry tany, hosedraiko ihany koa.
Ka tsy hiondrefako mihitsy, ny herin’ny fahavalonao.

Mahery dia mahery angamba, fa tsy atahorako akory,
Ka modiako ho jamba, amin’izay dia resi-tory!
Ny onjam-piainanao ry tany, hosedraiko ihany koa,
Ka ‘zay adinao rehetra, dia ho adiko avokoa!
RRAG
Oktôbra 2009
--------
Rohy:
319 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1722