VINAKIO IHANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VINAKIO IHANY…
Tahak’izay aho nieza-nangina
nianoka vonim-pitiavana.
Saingy bebe fanahiana
sao mantsy ho lasa fandavana.

Inay aho tsy niteny intsony,
nangina nananika ny haavony.
Kanefa vao mainka tsy tony,
k’injay nakarapo-nalavony.

Tahak’izay mba nasehoko ihany,
tsy niteny fa tamim-pihetsika.
Tsy ho tazaniko akory izy mamaly,
fa anaovako sambo milentika.

Inay ny foko nanafina,
hoe: « Babony tanteraka ny aty ».
Dia injay mody niavonavona,
zary ràtran’ny fo mandramaty.

Tahak’izay mba niandrasako ihany,
Ny valin’ny tsiky nalefako.
Ohatr’izao mantsy tsy nitomany,
tamberenin’ity raha nataoko.

Inay ihany mantsy nambarako,
fa manindrona sady tsy tanty.
Raha nisokatra anefa ny vavako
dia fo ‘ray ny anay mifanampy.

Tahak’izay, inay, tsisy farany.
Ny nenina tsy ho alohan-datsa!
Ka indro aretim-po no hany sarany,
vidin-tahotra sao dia maràtra.
Vinakio ihany rehefa tsy zaka a!
RRAG
17 Jona 2021
--------
Rohy:
1060 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182