VINANIO ETO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VINANIO ETO…!
Tsy misy mahalala, ny faran’ito tany.
Tsy misy mahasakana, fo tsy hitomany.
Tsy hisy hahavita, ny vitan’ny hafa.
Tsy hisy hahatefy, fo iray maràtra!

Tsy hisy ihany koa, Reny hankahala,
ny sombin’ny ainy, zanany malala,
nankarary ny ainy, niaretany ny mafy,
ny fitiavan-dReny, toa tsy mety maty!

Tsy hisy mihitsy, Reny hahafoy,
ny menaky ny ainy, anaty andro fohy.
Ny saina angamba, no hamatotra azy,
aleony ny zanany, toy izay ny vady!

Vinanio etoana hoe: “Raha toa ianao,
no Reny niteraka, toa azy izao”.
Moa ianao, mety hahafoy ny ainy?
Nefa tsarovy, fa ianao dia ilainy!

Vinanio koa hoe: “Ianao zanaka,
mbola hitsinjo, ny hoavin-taranaka”.
Moa va ianao, tsy hanaja ny Reny?
Haiko ny valiny, fa aleo tsy miteny.
RRAG
Ny taona 2013
--------
Rohy:
275 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222