VINAVINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VINAVINA…
Meva! Ny andro anaovam-boadintsika,
dia ho mpandravona ny lasa.
Ny andro anaovam-boadintsika,
no handrafitra ny kasa,
hampiray ‘reo fianakaviana,
hitondra ilay firaisankina,
hanamafy fihavanana,
hampifandray ny tanana.
Ilay nolotoin’ny lasa,
mbola tsy vita sasa.
Fery efa maina,
holatry ny aina,
hiriko ho foana,
anatin’io fotoana,
anaovam-boadintsika.

Eny, dia io ihany koa,
no raki-dingam-po,
tsy ho fatin’ny taona.
Tahirim-po nisaona,
tanaty tolon’ady,
farany mafy indrindra.
Nefa zary tady,
nitàna fitia tsy hifindra.
Io ilay fotoana,
niandrasam-po,
hampiteny moana,
mba hitolon-jo.
Io ihany koa,
no vavahadim-piainana,
hamafa ny taloha,
handefy ny adim-piainana.
RRAG
Jolay 2012
--------
Rohy:
348 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225