VIRIJINY MAMPIRAFY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VIRIJINY MAMPIRAFY…
Tsy fijery amin-toetra,
na amin’ny vatana madio,
ireo olona mpisetra,
mitondra sedra toa tadio.
Tsy fitopy eny amin’ny maso,
ireo olo-mahatoky.
Tsy ny lasa no mpiankaso,
fa ny tahiry anaty boky.

Virijiny mampirafy,
toa tsy henatra intsony.
Eny an-dalana eny, amin’izato fitafy,
efa ho eny am-poto-pe.
Tsy misy henatra akory,
manadala ramose.
Ity koa dia resi-tory!

Virijiny efa mitapy,
milangalanga an-dalambe.
Mahita lahy dia miantsampy,
dia mba virijiny ve?
Sa virijiny ara-nofo,
ilay nahay nitandrin-tena?
Nefa ny toetrany maloto,
tsy ahitana fahendrena.

Toa manameloka ny hafa,
ilay nazeran-draviravy,
sy nofatoran’ny lasa,
ka nanamafy irony ady.
Saingy ny azy toa tsy hainy,
tsy mba tsapany akory.
Tsy mba nataony tao an-tsainy,
fa izy ihany no lotony!
RRAG
30 Desambra 2012
--------
Rohy:
430 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209