VISAVISA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VISAVISA…
Neny tiako, mitonia,
aza avela handresy izany, ireo sedra izay minia!
Minia mandrava ny efa vita, efa tafatsanganao.
Mitsangana dieny izao!

Neny tiako sanatria,
ny fitiavana natolotrao, no rotehiny ho simba!
Ny voady vitanao, ilay nahosotra fitia,
no handratoany gidragidra!

Ry fireneko, misahia,
mandefitra ho an’ny rariny! Fa ny fitia,
no fitoetran’ny marina, dia ‘lay karoha-mbola tsy hita.
Toa anaty lava-dalina, nofinofy visavisa!
RRAG
Desambra 2012
--------
Rohy:
260 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209