VITA TSISY PENTINA... (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VITA TSISY PENTINA...
Joro! Aiza ny enti-mody nomena vao omaly?
Moa nahavita ianao o? No toa falifaly,
tsy toy ny isan'andro, fa toa mba miramirana!
Angamba kosa ireny, tsy nisy nanahirana!

"Madama a! Tena vita ny ahy fa ny kahie no hadino!
Tena nampidiriko! Fa toa tsy mampino,
hoe tsy hita tokontaniny, izay mety nitombenany!
Kanefa anie Madama e! Tena teo ny toerany e!"

Manomboka indray 'lay fikafika mampivalaketraka,
fomba fialana bala, efa toa mandreraka!
Ny hakamoana foana no mameno loha!
Raha tsy vita alina, maninona raha ilay vao nifoha?

"Tsy laingako Madama, 'lay fampiasana vita!
Fa indrisy fotsiny, ny kahieko tsy hita!
Asa! Hadino any an-trano sa latsaka tan-dalana?
Tamin'izaho ilay, nisy amboa nibahana!"

Jereo anie 'ty laza masaka, mameno vavanao?
Fivoarana mankaiza, no kinendry amin'izao!
Ny tena badolahy! Sady Dadabe an-dakilasy!
Rehefa mody ianao avy eo, hampitondrana taratasy!

"Ifonako Madama a! Raha mety aoka izao!
Lanilany fotsiny eo, ny hany taratasinao!
Fa aleo rahampitso, ny enti-modiko ho entina!
Dia hitan'ny Madama tsara, hoe vita tsisy pentina!"
RRAG
08 Mey 2021
--------
Lien:
190 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0234