VOAMASON-JAZA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOAMASON-JAZA...!
Ataoko ahoana no hijery, ireto zaza mitoloko,
toa misento manirery, hontsa loatra izany foko?
Indre, ireto zaza mitomany, mahonena ery 'ty izy,
tsy mba misy manontany, ny sasany, vao mijery dia efa kivy!

Ataoko ahoana no tsy hanolotra, na dia tapa-mofo kely,
mba ho harapak'ity zaza, mangataka tsy misy mba mijery?
Ka 'ty voamason-jazakely, mipitrapitra ohatr'izany,
fo akory moa, no hahita izao, ka tsy hitomany?
RRAG
29 Septambra 2017
--------
Rohy:
343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232