VOAZANA-PANDROSOANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOAZANA-PANDROSOANA...
“Itony izao finday, 'lay tsara sady raitra,
ny kalitao hananany, sy ny lokony manaitra,
mifaneva amin'ireto, akanjonao vaovao,
kiraro sisa izany, no mbola tsy azonao.

Tazano anie ry tiako, itony solosaina,
tsara e! Toy ny zava-manan'aina,
asianao poaketra, afaka mifameno,
malala a! Raha tianao teneno!

Oay! 'Ty famantaran'ora, meva sady kanto,
rehefa manam-bola aho, vidiko io ato ho ato,
arahako ireo rojo, ankoso-bolamena,
ny kavina ihany koa 'zany, mila mba jerena.”

Ialahy ve adala sa, mivadika ati-doha?
Mora taitaitra, amin'ny zava-tsy mahasoa!
Mora revo ery, amin'izato hoe fivoarana,
nefa ho hila isan'andro, tsy leo mihinana anana!

Voazana-pandrosoana, voazogan'ny fivoarana,
jamban-drendrarendra, ka tsy mahita lalana,
variana ny anio, dia tsy mijery ny hoavy,
ny toe-tsaina mihitsy, no toa voafato-tady.

Malala a! Ny mandroso tsy hoe, mila ny maharaka,
mila hananana avy, ny finday sy ny firavaka,
fa ny toe-tsaina mihitsy, no mila hampandrosoana,
toy ny miasa, arahanao finoana!
RRAG
28 Aogositra 2018
--------
Rohy:
643 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169