VODILANITRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VODILANITRA…
Ny vodilanitra madiva, filetehan’ny masoandro,
no tsiaron’ny fahiny, fony ianao nanorok’azy!
Ny fisarahana tsy satry, raha vao misarak’andro,
no tamberin’iny lasa, kay ny andro hariva sahady!

Iny vodilanitra iny, no diarim-pahatsiarovana.
Ilay nodorana tsy may, nalevina tsy lo!
Iny irery ihany, no mba nanam-po nangoraka.
Hany nampitony, nampaherihery fo!

Iny no taratasy, fanoratany ny hafatra.
Fakitera tena namany, tsy mba nitelintelin-kafatra!
Afaka nitondra hatrany, izay tiany hampitaina.
Iny vodilanitra iny, no tinazany maraina!

Sahy milanja ny alahelo, vesatra sy adin-tsaina.
Irakiraky ny fo, dia ‘lay fo ‘zay mitaraina.
Manantena fihaonana, manantena hahita anao.
Iny vodilanitra iny, sahy mizaka ny talaho!

Izy iny indrindra, ilay naman-tsy mahafoy.
Tsy mbola nanadino, sady manam-pandeferana.
Izy iny indrindra, ‘lay noterena hoe: “Soloy”.
Fa tsy nitsahatra niady, tamim-paharetana!

Iny fara-vodilanitra iny, no mpitàna ny alahelony.
Izy iny irery ihany, no namany, fony izy zaza.
Ilay naman-tena teliny,
tsy mba manao tokim-bava!
RRAG
26 Desambra 2012
--------
Rohy:
255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018