VOLAMENA TSY MILOKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOLAMENA TSY MILOKO…
Foanan’iny nofiko iny, tsy nitoetra ela akory,
tsy mba niandry ahy ho tony, na hifoha tamin’ny tory!
Ilay fanantenako ny hahita, hahita anao handray ny tanako,
lasa ianao, lasana nandao, fa tsy ho isan’irony namako!

Teo no nahatsapako, fa ny nofy volamena,
saingy indrisy tsy miloko, na mba mitoetra ela.
Fa mandalo dia miserana, toy ny vinavina vita,
tsy nisy iray mba tanteraka, na nisy ihany koa tafita.

Teo no nahafantarako, fa ny foko tena tia.
Vao niandoha dia hofaranako, ity nofin’ny fitia.
Satria ianao efa tsy hitako, efa nikaroka vaovao,
ka maika ery nandeha tsy ho hitako, maika ery ianao nandao!

Volamena tsy miloko, tsy misy soritra voafaritra,
tsy fanta-poto-nipoirana, nefa toa mba hoe mangirana,
vao tarafin-kazavana…

Volamena saingy nofy, tsy hay tsapaina na harena.
Tsy mba mari-bolafotsy, toy irony notefena.
Fa tena volamena mihitsy, saingy izy tsy miloko.
Tena fitia lafovidy, ilay nitoetra tato am-poko!
RRAG
23 Aogositra 2012
--------
Rohy:
271 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205