VONINKAZO TOA AN’I NENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONINKAZO TOA AN’I NENY…
Tsy misy kanto mihoatra ny lisy.
Tsy misy meva mitovy amin’ny raozy.
Kanefa, tsy nokoloina izy ireny indrisy,
ka zary voninkazo lasa ratsy paozy.

Tsy misy manaitra ivelan’ny “daliah”,
ny voniny aza, milaza fitia.
Fa hafa ihany, ny hatsaram-panahy,
eo amin’olon-droa, izay miara-dia.

Mba satry dia satry, hitovy fijery,
manahaka tsara, ny hatsaran’ny Reny,
ny olona hotiavina, nefa tsy ho izay.
Hafa ihany ireo, rehefa mahay mifandray!

Ny voninkazo toa an’i Neny, tsy hisy!
Mety ho tsaratsara, na mifanohitra mihitsy.
Saingy ny saina, samy manana ny azy.
Mangataha amin’ny Tompo, rehefa hanambady!
RRAG
22 Jolay 2013
--------
Rohy:
380 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228