VONINKAZOKO HONO IANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONINKAZOKO HONO IANAO…
Voninkazoko hono ianao, ‘lay novoleko tato am-poko.
Voninkazoko hono ianao, saingy raozy efa nafoiko.
Efa navelako ho an’ny hafa, nitsiriritra anao fahiny.
Nohadinoiko toy ny lasa, ankehitriny zary tsiny!

Voninkazoko hono ianao, hoy ny nofiko nilaza.
Voninkazoko ianao, ‘lay nantsoiko malala.
Nofafako tao an-tsaiko, novonoiko tao am-po.
Efa tsy afa-kolalaiko, fa voninkazoko efa lo!

Voninkazoko hono ianao, ilay ravak’itsy zaridaiko,
Voninkazoko ianao, ilay fahiny filalaiko!
Vononkazo toy ny ahoana, fa toa nofinofin-tsaiko?
Na dia ny anaranao aza anie ka, toa tsy haiko!

Voninkazoko hono ianao, novoleko fa tsy ahy.
Voninkazoko hono ianao, ‘lay nandràtra ny fanahy.
Voninkazo tsy mba hafa, fa voninkazon’ny lasa, ilay fisangy.
Tsy mba ho namako intsony, veloma ianao dia mampamangy.
RRAG
Sabotsy 10 Aogositra 2013
--------
Rohy:
327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211