VOROMBE TSY FIHINANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOROMBE TSY FIHINANA…
Kanto tena kanto, raha endrika ivelany,
meva koa ny tsiky, toa zary fanaperana,
ny sori-tava koa moa, mamoaka izato bika,
saingy toa ho nofy, raha ny fitiavantsika.

Anjely ianao tsy lavina, fa diso lava elatra,
izay mahita anao, ny fony, avy dia mitselatra,
toa tsy mahatana intsony, ny fientanana anatiny,
ny tsy hitia anao dia, aretina tsy ho tantiny!

Raozy ianao kanefa, toa tsy navoly ho ahy,
natao ho jerijery, fa tsy ho silaka fanahy,
vorombe tsy fihinana, saingy tian’ny foko,
indrisy anefa fa, tsy maintsy ianao afoiko.
RRAG
21 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
646 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0355