ZANAKO VAVY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANAKO VAVY…
Ry zanako vavy,
toa variana loatra,
izato tokan’ny aiko.
Efa elaela ihany,
no nahitako anao,
ka dia nanaitra ny saiko,
hoe: Mbola kintana aiza,
no hiravoanao,
no dia toa variana,
variana toy izao?

“Papa! Marary ny saiko,
voatsindrona mafy,
ny atin’ny aiko,
ka ahiako ho faty,
noho ny fitiavana,
sy ny alo-javona,
miserana amintsika.”

Anaka, tsy azoko loatra,
tsy fantatro mihitsy,
ny tianao hiaviana.

“Tiako i Mahefa,
‘lay zana-pahavalo,
natsanganareo.
Ka manery ny foko,
manery ny aiko,
ny mba hitoreo,
ny mba hiangavy,
hoe: Aoka izay,
aoka ry papa,
ny fankahalana,
eo aminareo.”

Zaza adala,
toa mamiravira,
ny foto-nipoirany.
Tsy mandinika akory,
vao miantsampy,
amin’ny lalam-pidinana.


“Tsia, tsy!
Tiako izy na dia,
hoterenao,
hisarahako aza.
Tiako i Mahefa,
tena avy ao am-po,
fa tsy eboebon’ny vava.”

Ry zanako vavy,
mihevera ihany,
sao lahy ny tody,
no hanoto-tany.
Sao ny latsa,
no hampitomany,
ka tsy ho zaka,
satria tsy mahazatra.
RRAG
Jona 2012
--------
Rohy:
356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227