ZAZA ADALA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAZA ADALA…
Zaza adala, tsy laitra tenenina!
Zaza maditra, toa mody be marenina!
Mpanosihosy, ny hasin’ny tenany,
efa nampianjera, no mbola hiverenany!

“Rainy, aza omena tsiny ny fitiavan’ny ankizy!
Aza tinerena, fa aleo hisafidy!
Fantany eny foana, izay tena tiany.
Aleo mba ho tanterahany, izay faniriany!”

Ramatoa Ravao, oviana moa izato ianao,
no miana-kendry, maneso ny teniko?
Fa angaha moa, fa angaha tsy fantatrao,
fa izaho no lohany, ka masi-mandidy,
eto amin’ny taniko, sy ny akaniko,
tsy hisy na iza, no hanan-tsafidy.

“Rainy ah! Sao mafy loatra, izato teninao,
ka tsy hisy hahazaka, na izaho vadinao?
Toa tsapako hoe mandatsa, ny fitiavana natolotro,
hangina koa aho, akomboko ny molotro!”

Izay! Izay no fahendrena ry fanaka malemy.
Akombony ny molotra, dia aza miteniteny,
fa sao hanenenana, ny vava izay havoaka.
Diniho tsara aloha, ny teny izay haloaka!

“Hangina e! Hangina tokoa fa fanaka malemy.
Hangina raha toa, ianao ka tsy hijery,
na hihaino ahy hilaza.
Aleo hifankatia, hifankatia ny zaza!”

Sanatria raha mbola velona aho,
izay no ambarako anao.
Fa hosakanako hatrany,
na ho sarotra aza izany.
RRAG
Jona 2012
--------
Rohy:
391 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236