Z’INONA…? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Z’INONA…?
Z’inona ianao no sahy manatsafa,
ny alalin’ny fery nondesin’ny lasa?
Iza ianao no sahy mampihombo,
ny alahelo, ka tsy mena-mampitombo,
ny resaka atao handotoana ny hafa?
Saingy iny anefa dia efa nahazatra!

Z’inona ianao no tsy mena-miteny,
fa ny lasa nosedrainy dia hainao tsianjery?
Nefa iza ianao no sahy manontany,
ny hevitra entin’ny fo mitomany?
Tsy menatra handatsa sy hanesoeso,
dia mody mandretoka fa hoe velon-tsento!

Z’inona ianao no hitsaran’ny tsy efa,
ka mbola hamesatra ny neni-miantefa?
Z’inona ianao no mangala-pijery,
kanefa tsy sasatra ny maneritery,
fitia tsy ho anao fa efa manan-tompo?
Iza ianao ‘lay mpampitsitoko?
RRAG
24 Jolay 2002
--------
Rohy:
265 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211