You are here: home > Vetso

AZA AVELA HANGASIASY - SANDRATRA

Azo vakiana?

Adro vitsy monja izay
no nifaneraserako taminao
dia efa reko mandoro mahamay
lay fitiavana ao anatiko ao

Eny,ity tenako mahantra
sy ny foko feno ratra
babonao avy hatrany
tsy te hahalala izay hiafarany

Koa anio aho hanoratra
hilaza sy hamboraka
tsy rediredy na kilalao
fa tena fitiavana anao

Ka ekeo re raha sitrakao
fa aza avela hangasiasy
fa ilay fitiavako anao
efa latsa-paka hatrany anaty

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

rrmamy (28/11/2008 16:04:24)

Tsara ny hevitra miady koa ny rima, fa raha azoko tsara dia mbola nifanerasera fotsiny fa mbola tsy niaraka, ka sao hoe tokony tsy ho io ny lohateny angamba tsy fantatro

Hametraka hevitra

Midira aloha