NY TENA FIAINANA - SANDRATRA
Azo vakiana?
Raha ny fiainana eto an-tany
dia sento lava sy tomany
tsy mba misy andro manjopika
fa fahoriana lava no hita
Fa indrindra io fitiavana io
izay tena mora maty ka kajio
io no tena mampijaly ny tanora
mamono sy mikiky ny anaty moramora
Ka ho anao zay leom-pahoriana
zay efa tena miafiana ho anao indrindra ity hafatra ity
avelao hanjaka ao am-ponao Jeso Kristy
ny fahoriana sy ny alahelo tsy fanta-petra
ane hatr@ fonao sy ny fijaliana rehetra
ho ento eo Aminy avokoa
fa Izy hanasitrana ny fo
Ka aza kivy na mamoy fo
raha sendra ady no manjo
fa mbola ao ny Ray
hanasitrana ilay fery mahamay
atolory sy apetrao Aminy fotsiny ny fianana
dia ho foana hatreo ireo fitarainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62Daty : 02/05/2007
Mpamangy : 4805
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AZA AVELA HANGASIASYANY MISY FO...
NY TENA FIAINANA
TOJO ANAO
LAVITRA ANAO
IZAHO IRERY
TSARA TSO-DRANO
NANDALO DIA NISERANA
TIAVIKO MANGINA
MATOKIA