You are here: home > Vetso

TSARA TSO-DRANO - SANDRATRA

Azo vakiana?

Fa nahoana kosa re ry tiana
nahoana ianao no nisitaka
aiza ireo teny maminao sy dina
hay moa ka fitaka

fa nahoana re ry lala
nahoana ianao no nandao
sa izaho no tsy nahalala
fa ny anao fitia kilalao

tsy maninona anefa raha izay no tianao
fa tsara tso-drano @izay atao
hahita ilay tena tiana sy iriana
hiaina lavitry ny fijaliana

tsy arahiko alahelo fatsara tso-drano
ho tody soa @izay aleha tsy hahita angano
tsy hanozona anao aho na hiantso tody
fa sao mantsy ianao mbola hody

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Malalason (01/09/2006 09:16:51)

Raha indray mande no manta vary aza alevina mihitsy ny sotrobe, TanĂ la very sampy e, ny anjara tsy midify

Hametraka hevitra

Midira aloha