TIAVIKO MANGINA (SANDRATRA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiaviko mangina ianao
ka na ianao aza tsy hahalala
fa ao an'eritreritra ao
no iantsoako anao hoe:malala

Tiaviko mangina ianao
ka ataoko tsy misy mahafantatra
hoe ny ao am-poko ao
tena tia anao fatratra

Ny toerana hiaonantsika
mbola ao an'eritreritra ao ihany
ao isika tsy misy mpahita
raha mbola eto an-tany

fa tsy sahiko mantsy ny hiteny
sy hitory fitia aminao
sao ho lavinao izy ireny
ka aleoko mitia mangina toy izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
13084 9
Hevitra mandeha
12 ( 26/05/2006 16:07)
tsara ilay tononkalo nataonao.tena msy ve ilay izy sa noforonona
nyrsi ( 16/06/2006 15:58)
Tena azo heverina ho marina,nefa azo foronina koa!!
ounjasou ( 29/06/2006 07:08)
tsara ny mitia, ka na ho zaraina na tsia, tsara refa tia.
tia ( 04/07/2006 04:44)
zah olou tia foana e!
Malalason ( 27/12/2007 08:50)
marary @zany toi fa aleo lazaina ihany na ho any na tsy ho any, sady sao tia ihany koa izy nefa toa anao ...mirary soa
mampikanto21 ( 28/12/2007 06:13)
Tena sarotra b loatra zany mitia mangina isa=zany r'se a.
Tsy aleo tsorina d zay lalany any lalany.
arinoro ( 04/01/2008 05:40)
tena sarotra ny mitia mangina saingy mafinaritra e.
Mysento ( 19/08/2009 14:01)
Mitia mangina,tsy misy,mpanakotaba.
rhina ( 17/09/2009 09:15)
tena tsara le tonokalonao
satria tena betsaka ny lehilahy mpanao an'io eny na ny vehivavy koa aza asa mety hisy koa!
maeva74 ( 17/09/2009 17:44)
Kanto mankasitraka;
Fitia voarara angah ! asa re! Izaho ilay namanao nitia mangina anao, na tsy ho ahy aza ianao dia efa fifaliako ny nitia mangina anao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 24/05/2006 09:05
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208