You are here: home > Vetso

ANY MISY FO... - SANDRATRA

Azo vakiana?

Any misy fo miandry sy ory
any misy tsy mahita tory
any misy feo mitaraina
miantso anao 'zay nolalaina

Any misy tava
kotsan-dranomaso lava
any misy olona mitomany
miandry anao hatrany

Any misy tia fa tsy sahy miteny
any misy fo manin'rery
any misy fo reraka sy torovana
mitahiry 'reo fahatsiarovana

Any misy fo te hitroatra
any misy fo tia loatra
saingy tsy sahiny lazaina
sao matsy haningotra ny ainy

Any misy fo maratra sy mangirifiry
rakofan'ny nofo feno hirifiry
any misy hetaheta tiany ho lazaina
nefa matahotra izy sao hampitaraina

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

sejianis (30/04/2008 19:01:19)

Ianao 'lay sasa-miandry
Eny! Tsy tafandry mandry
Fahafirin'ny tsaroana
Moa izy no voahira foana???
Mbola ho tsapany any aoriana
Izany manin-tsy valiana
Nefa aza ozonina raha tiana
Fa itseronao mangina!!!

Vakianao mantsy ny ao anaty foko ry tononkalo!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha