You are here: home > Vetso

IZAHO IRERY - SANDRATRA

Azo vakiana?

Izaho irery no sisa eto
mitomany sy misento
mitomany ireo lasa
sy ireo andro niarahana nitafa

Izaho irery sisa
no miventso sy mitanisa
mitanisa ireo fahiny
niarahana nandritra iny taona iny

Asa iza no mba mahatsapa ny alaheloko
iza no mba hitarainako
iza no hizarako ny tsiambarateloko
iza no mba hianteherako eo @ fianako

ankehitriny aiza ianao
moa mba mahatsiaro ahy ihany
sa efa nanadino tanteraka ireo natao
ka tsy mahatsiaro ity mahantra sy mijaly

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

mampikanto21 (09/01/2008 09:31:10)

IE D MAHEREZA ZANY KOU!mBOLA ETO ANIE NY SERASERA E!

Hametraka hevitra

Midira aloha