You are here: home > Vetso

Faingana - SANDRATRA

Azo vakiana?

Toa  mbola tsaroko foana ankehitriny
ilay tantarantsika roa fahiny
ka na efa ela aza no tsy hitako
dia ny hanadino anao tsy vitako
efa ela tokoa isika no tsy nihaona
nefa ny fitiavako mbola anao foana


Any ianao,any an-tany lavitra any
asa raha mba mahatsiaro ahy ihany
fa izaho efa torovana
hitambesaran'ireo fahatsiarovana

Eny!adala angamba aho
eny! adala aminao
adala ny fitiavako
eny! adala aminao rahavako

Koa tongava haingana re
fa izaho efa niandry hatrin'ny ela be
satria ianao irery ihany
no afaka hanafoana izany alaheloko izany

Faingana fa izaho efa sasa-miandry
ka mila tsy ho tafandry
amin'izay andro izay toa afa-jaly
ka hisinda ho azy ireo tomany

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

gtiana (29/11/2005 06:58:13)

milay ka. reveko.

Hametraka hevitra

Midira aloha