Fitiavana mahery (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miredareda tsy mety maty
ilay fitiavana ka mandoro ny anaty
eny e! tena mila tsy ho tanty
nefa tsy maintsy miafy
na dia efa hahafaty

Atao ahoana tokoa moa
ny hanadino ireo taloha
ireo fiarahantsika roa.
Toa sarotra ho ahy ny hikosoka izany ato am-po
ka ny vita dia mipetra ho tantara
na ny ratsy izany na ny tsara

satria ilay fitiavana mahery
sady tsy mba kilalao
no efa nomeko anao
ka ho anao samirery
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2966 1
Mpakafy: sidoka
Hevitra mandeha
Iony ( 14/12/2005 10:44)
faly aho fa betsaka ny mahatsapa fa mahery vaika ny fitiavana.Tohizo fa tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 16/11/2005 12:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148