You are here: home > Vetso

HERIM-PO VERY MAINA - SANDRATRA

Azo vakiana?

Niady aho niady hatrany
niady ho an'ny fitiavantsika
indrisy anefa fa toa herim-po very maina ihany
satria ankehitriny ianao dia tsy hita

Ireo ezaka mba natao
hatramin'izay ka hatramin'izao
herim-po very maina ihany
satria nilaozanao ity ankany

Ny fijaliana niaretako hatrizay
ny ranomasoko narotsako noho ianao rehefa injay
toa tsy mba nisy tambiny akory
fa vao mainka koa aza tena ory

Ny fahoriana niafiko
ireo teny nankarary fo
ireo mba nohariako
noravainao avokoa


Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha