HO SASA-POANA (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho sasa-poana ireo mpisopatra ny dia
satria ny antsiaka efa ho doria
ire te handrava dia hanidy ny vava
satria ny antsika tsy ho rava

Ho sasa-poana ireo mpampiady
satri efa voadinay ny hivady
sanatria izany hoe hampirafy
fa ny anay efa mandra-maty

Ho sasa-poana ireo hiteny tsy am-piheverana
satria ny antsika tsy hanam-pahataperana
fa raha ny antsika fitia rfa vita sedra
fa tsy mba kilalao na kisendrasendra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1263 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 18/01/2006 11:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147