ILAY NOFY (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa tao anty alina mangina
no nanofisako anao ry tiako
ianao tokoa mantsy ilay niriana
hitantana ny diako

Any ianao,any lavitra any
asa raha mba mahatsiaro ahy ihany
fa izaho aty efa sasa-miandry
ka manonofy tsy tafandry

Hany ka raha vao mikipy ireo masoko roa
dia ilay nofy no tsaroana mialoha
ka sanatria izay hoe hadinoiko
fa n'aiza n'aiza misy anao dia ho tsaroako

any tokoa ianao,any lavitra ahy
tsy eto anilako mba ho sakambinina
ka raha sendra mahatsiahy
dia ilay sary no banjinina

Toa satriko hanonofy anao foana
mandra-pahatonganao eto anoloana
fa rehefa tafa-tambatra isika
ka hiara-hiana ao anaty ankany iray
dia tsy avelako hangatsiaka
ilay nofy izay nampiray

Rehefa tonga ilay andro izay nirina
hanamafisantsika ny diana
ka ny tia sy ny tiana no tafaray
dia hiaraka ho mandrakizay

efa voadintsika roa mantsy
ilay ho manadra-maty
ka na iza na iza higafy dia isika efa vonona ny hiafy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1699 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 18/01/2006 10:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144