IZY NO TIAKO (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy no tiako raha mbola eto an-tany
ka tsy misy mahasakana izany
ny fitiavako tsy azo n'iza sakanana
tiako foana izy na ory na manana

Izy no tiako t@izay rehetra hitako
na ny fomba na ny fihetsika dia sitrako
koa lozako ry neny raha mbola hampirafy
adalako koa ry dada raha mbola higafy

Ekeko fa tsy ananany
na bika na endrika
na ny fitafiana anaovany
aza tsy misy mendrika

Ny anay fitia tsy hiserana
fa na eo aza izany tsy atao mibahan-toerana(ny fahantrany)
ny anay fitia efa tsara paika
fa tsy fitiavana vonjy maika

izaho sy izy efa nivoady
fa raha sitra-pon'Andriamanitra dia hivady
sanatria tsy fitiavan-jaza
ka raha vao misy ny olana dia ny hoe ho rava

koa matokia ahy ianao ry cherie
fa ianao irery ihany no tiako eto @ity tany ity
tsy vitako intsony ny hoe aok'izay
fa aleoko manaja anao mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2993 1
Mpakafy: Mamenosoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 18/01/2006 10:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138